Ny Salamo

Toko faha-31

20 Akory ny haben'ny hatsaram-ponao, izay tehirizinao ho an'ireo matahotra anao, izay asehonao amin'ireo manao anao ho fialofany, eo imason'ny zanak'olombelona!

21 Alofanao eo amin'ny aloky ny tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; mampiery azy ao an-dainao hianao, mba tsy ho azon'ny lela mamely azy izy.

22 Isaorana anie Iaveh! fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko, tamin'ny nametrahany ahy tao an-tanĂ na mimanda.

23 Hoy aho tamin'ny fahatairako: Nariana lavitra ny fijerinao aho! Kanjo nihaino ny feon'ny fifonako hianao, nony nitaraina taminao aho.

24 Tiava an'ny Tompo hianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0354