Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 32, 1-2,5,11,
Ny hasambaran'izay voavela heloka.

       1Nataon'i Davida. Fisaintsainana masina.
Sambatra izay voaesotra ny helony,
sy voavela ny fahotany.
       2Sambatra ny olona tsy tànan'ny Tompo heloka,
izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
       5Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko.
Hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin'ny Tompo aho,
dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako. - Selà.
       11Mifalia sy miravoravoa amin'ny Tompo hianareo olo-marina,
Manaova hobin-kafaliana hianareo mahitsy fo rehetra! >