Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 33, 1,12,18-19,20-22,
Fiderana an'Iaveh mpanohana izay miraiki-po aminy.

       1Mifalia ao amin'ny Tompo hianareo, ry olo-marina;
fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
       12Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny;
sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
       18Ny mason'ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy,
dia ireo manantena ny hatsaram-pony,
       19mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
       20Miandry an'ny Tompo amim-pitokiana ny fanahintsika;
famonjena antsika sy ampingantsika izy;
       21fa izy no ataon'ny fontsika foto-pifaliana,
fa ny anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
       22Iaveh รด, ho aminay anie ny fahasoavanao,
araka ny anantenanay anao! >