Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 34
Tohan'ny marina Iaveh.

       1Nataon'i Davida, tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
       2ALEPH
Te-hisaotra an'ny Tompo mandrakariva aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana azy.
       3BETH
Iaveh no ireharehan'ny fanahiko;
aoka handre sy hifaly ny manetry tena.
       4GHIMEL
Miaraha amiko hianareo hankalaza an'ny Tompo:
aoka isika hiara-midera ny anarany.
       5DALETH
Nitady an'ny Tompo aho, dia nihaino ahy izy,
ary nanafaka ahy tamin'ny tahotro rehetra.
       6HE
Raha mitodika azy ny olona dia miramiran'ny hafaliana,

VAV
ary tsy safo-kenatra ny tavany.
       7ZAIN
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin'ny Tompo,
sy novonjeny tamin'ny fahoriany rehetra.
       8HETH
Ny anjelin'ny Tompo mitoby,
manodidina izay matahotra azy, ka mamonjy azy.
       9TETH
Andramo ka zahao ange izany hatsaran'ny Tompo.
Sambatra ny olona manao azy ho fialofany.
       10YOD
Matahora an'ny Tompo hianareo olo-masiny,
fa tsy ho voan'ny fahantrana izay matahotra azy.
       11KAPH
Ny liona tanora mety noana amam-tsy ampy hanina ihany,
fa izay mitady an'ny Tompo tsy orin-java-tsoa akory.
       12LAMED
Avia, anaka, mihainoa ahy,
hampianariko ny fahatahorana an'ny Tompo hianareo.
       13MEM
Iza no olona mankamamy ny aina,
iza no maniry andro lava hanaranam-po amin'ny fahasambarana?
       14NUN
Arovy amin'ny ratsy ny lelanao,
ary amin'ny teny fitaka ny molotrao.
       15SAMECH
Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara,
mitadiava fihavanana ary katsaho izany.
       16AIN
Ny mason'ny Tompo mitsinjo ny marina
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
       17PHE
Ny tavan'ny Tompo manandrina ny mpanao ratsy,
mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin'ny tany.
       18TSADE
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy Iaveh,
ka manafaka azy amin'ny fahoriany rehetra.
       19KOPH
Eo akaikin'izay torotoro Iaveh,
ary mamonjy izay rera-panahy izy.
       20RESCH
Iharam-pahoriana matetika ny marina,
fa esorin'ny Tompo amin'izany rehetra izany kosa.
       21SCHIN
Miaro ny taolany rehetra izy,
tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray aza.
       22THAV
Ny ratsy no mahafaty ny ratsy fanahy;
ary sazina ny mpankahala ny olo-marina.
       23Fa avotan'ny Tompo kosa ny fanahin'ny mpanompony;
ary tsy misy faizina izay rehetra mialoka aminy. >