Ny Salamo
Salamo toko 35
Fiantsoana an'Andriamanitra hamonjy amin'ny fahavalo.
1Nataon'i Davida.
Ry Iaveh ô, mameleza an'izay mamely ahy;
miadia amin'izay miady amiko.
2Raiso ny ampinga kely aman-dehibe,
ka mitsangàna hianao hamonjy ahy!
3Tsoahy ny lefona, sakano lalana izay manenjika ahy;
lazao amin'ny fanahiko hoe: Izaho no famonjena anao.
4Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko;
aoka hihemotra sy hangaihay izay mihevitra hampidi-doza amiko.
5Aoka hanahaka ny akofa tsofin'ny rivotra izy,
ka horoahin'ny anjelin'ny Tompo eo anatrehany.
6Aoka ho maizina sady malama ny làlany,
ary aoka hanenjika azy ny anjelin'ny Tompo.
7Fa nanao fandri-totofana hamelezana ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy;
nihady ny lavaka hahaverezany ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy.
8Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy,
aoka ny fandrika nafeniny hahavoa azy;
aoka ho latsaka sy matin'izany izy.
9Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'ny Tompo,
hiravoravo amin'ny famonjeny.
10Ny taolako rehetra hanao hoe: Iaveh ô, iza no tahaka anao,
izay manafaka ny malahelo amin'ny mahery noho izy,
mbamin'ny malahelo sy ny mahantra amin'izay mamabo azy?
11Misy vavolombelona tsy marina mitsangana;
ka miampanga ahy amin'ny zavatra tsy fantatro.
12Mamaly ratsy ny soa izy amiko,
ka latsaka am-pandaozana ny fanahiko.
13Izaho anefa, fony izy ireo narary, nitafy lamba fivalozana,
nampijaly ny aiko tamin'ny fifadian-kanina,
ary ny fivavahako niverina tao ampofoako.
14Nandeha midanesaka aho, toy ny malahelo sakaiza aman-drahalahy,
nitanondrika tamin'alahelo, toy ny misaona reny aho.
15Kanjo ankehitriny nony mangozohozo aho, mifaly sy miravo izy ireo,
mivory takona ahy, hamely ahy ny mpanoso-dratsy;
mamiravira ahy tsy an-kijanona izy ireo.
16Mova tsy ny mpitakarina veta mpanao vava mananihany,
mikotro-nify ery izy amiko.
17Tompo ô, mandra-pahoviana no hojerenao izany?
Tsoahy amin'ny fanenjehan'ireo ny fanahiko,
ary amin'ny hasahian'ireo liona ireo, ny aiko!
18Hidera anao eo amin'ny fivorian-dehibe aho;
hankalaza anao eo afovoan'ny vahoaka be aho.
19Aoka tsy hifalian'izay mamely ahy foana aho!
Aoka tsy hihiringiri-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana!
20Fa tsy mba fitenin-pihavanana no fitenin'ireny,
fa fitaka hamelezana ny mponina mandry fahizay no saintsaininy.
21Atanatanany amiko ny vavany,
dia hoy izy: Hià, sakoa izay, masonay no nahita...
22Ry Iaveh ô, hitanao izao. Aza dia mety mangina fotsiny;
Tompo ô, aza manalavitra ahy!
23Miarena ka mitsangàna hampahazo ahy ny rariny
sy hiaro ahy amin'ny adiko, ry Andriamanitro sy Tompoko ô.
24Tsarao araka ny fahamarinanao aho, ry Iaveh Andriamanitro ô,
ary aoka tsy ho foto-pifaliany aho.
25Aoka izy tsy hanao anakam-po hoe: Afa-po ny fanahintsika.
Aoka izy tsy hanao hoe: Laninay iny.
26Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa
izay mifaly noho ny loza manjo ahy.
Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka,
izay mitsangan-kamely ahy!
27Fa aoka hifaly sy hiravoravo kosa,
ireo maniry ny hahazoako ny rariny!
Aoka ireo hanao mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'ny Tompo
izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony!
28Ary ny lelako hankalaza ny fahamarinanao,
hanao fiderana anao isan'andro isan'andro. >