Ny Salamo
Salamo toko 37
Ny tsy fitovian'ny anjaran'ny marina sy ny meloka.
1Nataon'i Davida.
ALEPH
Aza tezitra noho ny amin'ny mpanao ratsy,
na mitsiriritra ny toetr'izay mpanao heloka.
2Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra ireny,
ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
3BETH
Matokia an'ny Tompo, ary manaova soa;
monena amin'ny tany ary manarana fo amin'ny fahatokiany.
4Iaveh no ataovy firavoravoanao,
dia omeny anao izay irin'ny fonao.
5GHIMEL
Ankino amin'ny Tompo ny anjaranao,
dia matokia, azy, fa dia hanao izy;
6hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao;
ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
7DALETH
Mitoera amim-pahanginana, eo anatrehan'ny Tompo ary manantenà azy;
aza tezitra noho ny amin'izay ambinina amin'ny làlany,
dia ny olona mahomby amin'ny tetik'adiny.
8HE
Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana;
aza misafoaka foana ka hipaka amin'ny ratsy.
9Fa ny ratsy fanahy hofongorana;
ary izay matoky an'ny Tompo no hanana ny tany.
10VAV
Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy;
mijery ny fitoerany hianao, fa efa nanjavona izy.
11Ny malemy fanahy no hanana ny tany;
ka ho finaritra mankafy fiadanana lehibe.
12ZAIN
Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina,
sady manidy vazana aminy.
13Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy,
satria hitany fa tonga ny androny.
14HETH
Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany
handavo ny ory sy ny malahelo,
hamono izay mahitsy làlana.
15Ny sabany hiditra amin'ny fony ihany;
ary ny tsipìkany ho tapatapaka!
16TETH
Aleo ny kely ananan'ny olo-marina,
toy izay ny be ananan'ny olon-dratsy maro;
17fa ny sandrin'ny mpanao ratsy, ho tapatapaka;
ary ny olo-marina kosa hotohanan'ny Tompo.
18YOD
Fantatry ny Tompo ny andron'ny marina;
ary ny lovany haharitra mandrakizay.
19Tsy mba menatra izy amin'ny andron'ny fahoriany;
ary ho voky amin'ny taona mosarena.
20KAPH
Fa ny ratsy fanahy kosa levona;
ny fahavalon'ny Tompo hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona
ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona.
21LAMED
Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina,
fa ny marina kosa be antra ka manome.
22Izay tahin'ny Tompo hanana ny tany;
izay ozoniny dia hofongorina.
23MEM
Iaveh no mahamafy ny dian'ny olo-marina;
ary mankasitraka ny làlany.
24Raha lavo aza izy tsy mba miampatra amin'ny tany;
Fa Iaveh mitantana azy.
25NUN
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny;
fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina,
na ny taranany nangataka hanina.
26Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra;
ary mahazo fanambinana ny taranany.
27SAMECH
Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,
dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.
28Fa tian'ny Tompo ny rariny,
ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.
Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,
fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
29Hanana ny tany ny olo-marina,
dia honina eo mandrakizay.
30PHE
Milaza fahendrena ny vavan'ny marina;
ary manambara ny rariny ny lelany,
31ny lalàn'Andriamaniny dia ao am-pony,
tsy mba solafaka ny diany.
32TSADE
Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina,
ka mitady izay hahafaty azy;
33fa Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tànany;
ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy.
34KOPH
Miandrasa an'ny Tompo, ary araho ny làlany,
dia hanandratra anao izy, ka hanana ny tany hianao;
raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.
35RESCH
Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin'ny fanaperam-pahefana aho,
nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy.
36Nandalo aho dia tsy teo intsony izy;
nitady azy aho fa tsy hita intsony izy.
37SCHIN
Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy;
fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana.
38Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa;
ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorina.
39THAV
Avy amin'ny Tompo no ihavian'ny famonjena ny marina;
mpiaro azy amin'ny andron'ny fahoriana izy.
40Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy;
manafaka amin'ny ratsy fanahy sy mamonjy azy izy,
satria izy no nataony fototry ny fitokiany. >