Ny Salamo
Salamo toko 4
Ny hafaliana amam-piadanan'izay matoky an'Andriamanitra.
1Ho an'ny mpampianatra hira amin'ny zava-maneno tendrena. Salamon'i Davida.
2Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso anao,
hianao izay mahalalaka ahy amin'izay mahaporitra ahy.
Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.
3Ry zanak'olombelona ô, mandra-pahoviana no ho voatsiratsira ny voninahitro?
Mandra-pahoviana no hitiavanareo ny zava-poana,
sy hitadiavanareo ny lainga? - Selà.
4Fantatro fa efa nofantenan'ny Tompo ho azy ny olon-tia vavaka iray;
ka mihaino Iaveh raha miantso azy aho.
5Matahora ka aza manota intsony!
Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà.
6Manatera sorom-pahamarinana,
ary matokia an'ny Tompo.
7Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana?
Ataovy miposaka aminay ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!
8Fa hianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo,
amin'ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divainy vaovao.
9Handry amim-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay;
fa hianao, ry Iaveh, dia hianao irery no mampitoetra ahy tsy amin'ahiahy. >