Ny Salamo
Salamo toko 40, 7-8a.8b-9.10.11.
<7Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra,
notevehinao ny sofiko;
tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.
8Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga,
miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
9Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô!
ary ny làlanao no ato anatin'ny foko.
10Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho;
sy hanakombona ny molotro aho,
fantatrao izany, ry Iaveh ô
11Tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao:
hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho,
ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin'ny fivorian-dehibe. >