Ny Salamo

Toko faha-41

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.

2 Sambatra ny miahy ny mahantra, fa hovonjen'ny Tompo amin'ny andro fahoriana izy.

3 Harovan'ny Tompo sy hovelominy izy; dia ho sambatra ambonin'ny tany, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitra-pon'ny fahavalony.

4 Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany; havadikao avokoa ny fandriany rehetra eo am-paharariany.

5 Hoy aho: MamindrĂ  fo amiko, ry Iaveh! sitrano ny fanahiko, fa nanota taminao aho.

6 Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy: Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran'io?

7 Nony mba misy mamangy ahy, lainga no hany avoakany, faharatsiana no angonin'ny fony; nony mivoaka avy eo indray izy dia miteny eny ivelany.

8 Mitakoritsika mamely ahy avokoa ny fahavaloko, Misaina hanisy ratsy ahy izy ireo.

9 Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjo azy, indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.

10 Na dia izay olona sakaizako aza, izay nitokiako sy nihinana ny haniko, dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.

11 Fa hianao, ry Iaveh, mamindra fo amiko, areno aho, dia hamaly azy ireo araka ny tandrifin'azy.

12 Ny hahafantarako fa tia ahy hianao, dia raha tsy resin'ny fahavaloko aho.

13 Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy hianao, ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao.

14 Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely, amin'ny taona mandrakizay rehetra! Amena! Amena!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.066