Ny Salamo

Toko faha-42

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana nataon'ny taranak'i Kore.

2 Toy ny anirian'ny serfa ny loharano no anirian'ny fanahiko anao, Andriamanitra Ă´!

3 Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona: rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona eo anatrehan'ny tavan'Andriamanitra?

4 Ny ranomasoko no haniko andro aman'alina, dia ny ilazan'ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?

5 Mahatsiaro aho - ary amin'izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon'Andriamanitra, eo afovoan'ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan'ny vahoaka be manao fety!

6 Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? ManantenĂ  an'Andriamanitra fa izaho mbola hidera azy, izay famonjena ny tavako sy Andriamanitro!

7 Ketraka ny fanahiko ato anatiko, ka izany no ahatsiarovako anao, eo amin'ny tanin'i Jordany, mbamin'i Hermona, sy ny tendrombohitr'i Misara.

8 Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao, ka ny onjan-drano aman-driakanao dia mandalo manafotra ahy avokoa.

9 Nandidy ny fahasoavany hitsidika ahy Iaveh, ny antoandro; teo amin'ny molotro ny hirany, nony alina;

10 nanao fivavahana tamin'Andriamanitry ny aiko. Ary izaho kosa, dia hoy aho amin'Andriamanitra vatolampiko: Nahoana no manadino ahy hianao?

11 Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr'alahelo, ampahorian'ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain'ny fahavaloko aho,

12 ilazany tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? ManantenĂ  an'Andriamanitra, fa izaho mbola hidera azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829