Ny Salamo
Salamo toko 44
Vavaka amin'Andriamanitra fatra-pitia ny vahoakany fahiny; hampody azy avy any am-paravazan-tany misy azy ankehitriny.
1Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Fihirana.
2Andriamanitra ô, ny sofinay nandre,
ny razanay nitantara taminay,
ny asa nataonao tamin'ny androny, tamin'ny andro fahataloha.
3Nandroaka firenena hianao tamin'ny tànanao, hamponenana azy;
nikapoka vahoaka hianao hanitarana azy.
4Satria tsy ny sabatr'izy ireo no nahazoany ny tany,
tsy ny sandrin'izy ireo no nahazoany fandresena,
fa ny tànanao ankavanana, ny sandrinao,
ny fahazavan'ny tavanao, satria tia azy hianao.
5Hianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ocirc;!
Mandidia ny famonjena ho an'i Jakoba!
6Hianao no handavoanay ny fahavalonay,
ny anaranao no anorotoroanay ny mpanohitra anay.
7Fa tsy matoky amin'izay tsipìkako aho;
tsy hahavonjy ahy ny sabatro.
8Fa hianao no manafaka anay amin'ny fahavalonay;
sy mampahamenatra an'ireo mankahala anay.
9Andriamanitra no ireharehanay isan'andro,
ary ny anaranao no derainay mandrakizay!
10Kanjo manosi-bohon-tànana sy manafo-kenatra anay hianao,
tsy miara-mivoaka amin'ny tafikay intsony.
11Ataonao mikoy eo anatrehan'ny fahavalo izahay,
ary baboin'ireo mankahala anay.
12Atolotrao toy ny ondry entin-kovonoina izahay;
aelinao amin'ny firenena izahay.
13Ataonao varoboba ny vahoakanao,
fa tsy asianao vidiny ohatrinona akory.
14Ataonao fandatsan'ny tany amam-monina izahay;
dia faneso amam-panarabian'ny manodidina anay.
15Ampanjarianao ho ambentin-tenin'ny firenena izahay
ka ihifikifihan-doha amin'ny vahoaka.
16Eo imasoko lalandava ny fangaihaiko,
ary safotry ny henatra ny tarehako,
17amin'ny feon'ny mpaneso amam-pamingavinga;
amin'ny fahitana ny fahavalo mbamin'izay mirehitra ny hamaly ratsy.
18Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy nanadino anao izahay;
tsy nivadika tamin'ny fanekenao izahay.
19Tsy nihemotra hianotra ny fonay;
tsy niala tamin'ny làlanao ny dianay,
20no anorotoroanao anay eo amin'ny fieren'ny amboadia,
sy anaronanao anay amin'ny aloky ny fahafatesana.
21Raha nanadino ny anaran'Andriamanitra izahay,
sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa,
22tsy ho hitan'Andriamanitra va izany,
nefa ny miafina ao am-po aza fantany?
23Hianao ihany anefa no amonoana anay isan'andro,
sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa, entin-kovonoina.
24Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory hianao?
Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!
25Nahoana no dia afeninao ny tavanao,
ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?
26Fa ny fanahinay, tafahohoka amin'ny vovoka,
ny vatanay tafaraikitra amin'ny tany!
27Mitsangàna hamonjy anay,
afaho izahay noho ny hatsaram-ponao. >