Ny Salamo
Salamo toko 45
Fankalazana ny fampakaram-badin'ny mpanjaka.
1Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny lisy. Nataon'ny taranak'i Kore. Hiram-pitiavana.
2Hira mahafinaritra no miboiboika avy ao am-poko;
hoy aho: Ho an'ny mpanjaka anankiray no alahatro!
Manahaka ny penina faingam-panoratra ny lelako.
3Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona hianao;
feno fahafinaretana ny molotrao,
ka noho izany dia notahin'Andriamanitra mandrakizay hianao.
4Sikino amin'ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery,
tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.
5Iakaro ny kalesinao, ka mandrosoa amin'ny fiandriananao,
mikatroha hiaro ny fahamarinana, ny halemem-panahy, ny rariny;
ary ny tànanao ankavanana anie hahavitanao asa mahagaga.
6Maranitra ny zana-tsipìkanao;
firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao. -
Hotrabaran'ireny ny fon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
7Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandrianana;
tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
8Tia ny rariny hianao, fa mankahala ny heloka;
ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao
tamin'ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.
9Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra;
mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.
10Zanakavavin'Andriamanjaka no isan'ny malalanao;
ny mpanjakavavy miravaka volamenan'i Ofira no eo ankavananao.
11Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina:
hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,
12dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka
fa tomponao izy; ka tolory fanajana.
13Mitondra fanatitra ny zanakavavin'i Tira
mbamin'ny manan-karena amin'ny vahoaka, hitady fitia aminao.
14Feno famirapiratana ny zanakavavin'ny mpanjaka, ao anatin'ny trano:
volamena voatenona no itafiany.
15Miakanjo misoratsoratra izy, no entina ao amin'ny mpanjaka;
manaraka azy misy zazavavy namany entina ho ao aminao.
16Ampandrosoina amim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo,
dia miditra ao an-dapan'ny mpanjaka.
17Ny zanakao no hisolo toerana ny rainao;
hatsanganao ho mpanapaka amin'ny tany rehetra izy ireo.
18Hampahatsiaro ny anaranao amin'ny taona rehetra aho;
ka hidera anao mandrakizay mandrakizay ny firenena. >