Ny Salamo
Salamo toko 46
Fitokian'Israely ny fiarovan'Andriamanitra.
1Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Amin'ny feon'ny virjiny. - Hira.
2Andriamanitra no arontsika sy herintsika,
famonjena azo mandrakariva amin'ny fahoriana.
3Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany,
na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,
4na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina,
ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
5Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan'Andriamanitra;
ny fonenana masina onenan'ny Avo indrindra.
6Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina izy;
vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.
7Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana;
vao nampandre ny feony izy dia nihotsaka matahotra ny tany.
8Iavehn'ny tafika momba antsika;
ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.
9Avia, jereo ny asan'ny Tompo,
dia ny fandravana nataony tety an-tany!
10Ny ady natsahany hatramin'ny faran'ny tany;
ny tsipìka notapahany; ny lefona nofolahany;
ny kalesy fiadiana nodorany tamin'ny afo.
11Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra aho,
manapaka ny firenena, manjaka amin'ny tany!
12Iavehn'ny tafika momba antsika;
ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà. >