Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 46, 2-3,5-6,8-9,

       <2Andriamanitra no arontsika sy herintsika,
famonjena azo mandrakariva amin'ny fahoriana.
       3Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany,
na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,
       5Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan'Andriamanitra;
ny fonenana masina onenan'ny Avo indrindra.
       6Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina izy;
vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.
       8Iavehn'ny tafika momba antsika;
ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.
       9Avia, jereo ny asan'ny Tompo,
dia ny fandravana nataony tety an-tany! >