Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 47, 2-3,6-7,8-9,

       <2Mitehafa tanana hianareo rehetra, ry vahoaka isany,
miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana!
       3Fa avo indrindra Iaveh sy tokony hatahorana,
mpanjaka lehibe amin'ny tany rehetra.
       6Miakatra ho any amin'ny fitoerana masina ombam-pihobiana Andriamanitra.
Miakatra Tompo omban'ny feon-trompetra.
       7Mihirà ho an'Andriamanitra, mihirà!
Mihirà ho an'ny mpanjakantsika, mihirà!
       8Fa mpanjakan'ny tany rehetra Andriamanitra;
ka mihirà hira fiderana.
       9Manjaka amin'ny firenena Andriamanitra,
mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany masina izy. >