Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 48
Fiderana an'Andriamanitra ao amin'ny tendrombohiny masina.

       1Fihirana. Salamon'ny taranak'i Kore.
       2Lehibe Iaveh, izy no alehan'ny fiderana rehetra,
ao an-tanànan'Andriamanitsika, amin'ny tendrombohitra masina.
       3Mitsangana mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra,
ny tendrombohitra Siona,
eo amin'ny fara-vazan-tany avaratra,
ny tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
       4Ao an-dapany, Andriamanitra,
niseho ho fiarovana.
       5Fa he nivory ireo mpanjaka,
dia niara-nandroso izy ireo.
       6Kanjo nahita izy, dia vahotra terý,
nivadi-po izy, ka vaky nandositra.
       7Hovitra no nahazo azy ireo teo,
fanaintainana hoatra ny an'ny vehivavy miteraka.
       8Novakinao amin'ny rivotra avy Atsinanana,
ny sambon'i Tarsisa.
       9Izay efa renay tamin'ny hafa dia ny masonay no nahita,
tao an-tanànan'ny Tompon'ny tafika,
tanànan'ny Andriamanitsika.
Hamafisin'Andriamanitra mandrakizay izy. - Selà.
       10Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran'ny hatsaram-ponao izahay,
ao anatin'ny tempolinao.
       11Tahaka ny anaranao, ry Andriamanitra, toy izany koa ny fiderana anao tonga hatrany am-para-vazan-tany.
Feno fahamarinana ny tànanao ankavanana.
       12Aoka hifaly ny tendrombohitra Siona,
aoka hiravoravo ny zanakavavin'i Jodà, noho ny fitsaranao!
       13mandiava an'i Siona hianareo; mandehana manodidina azy;
isao ny tranony mimanda.
       14Jereo tsara ny mandany;
diniho ireo lapany,
hitantarana azy amin'ny taranaka ho avy.
       15Io no Andriamanitra izay Andriamanitsika mandrakizay doria;
izy no ho mpitarika antsika amin'ny taona mandrakizay. >