Ny Salamo

Toko faha-49

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'ny taranak'i Kore.

2 Mihainoa izao, hianareo rehetra, ry vahoaka isany; manongilana sofina hianareo rehetra, ry mponina amin'izao tontolo izao,

3 na ny ambony na ny ambany, na ny manan-karena na ny mahantra tsy an-kanavaka.

4 Fa hampandre teny hendry ny vavako; ary misy hevitra feno fahalalana ato am-poko.

5 Manongilan-tsofina amin'oha-teny ambaran'Andriamanitra aho, mivaofy ny ankamantatro amin'ny feon'ny harpa aho.

6 Nahoana no hatahotra aho, amin'ny andron'ny fahoriana, raha manodidina ahy ny haratsian'ny mpanenjika ahy?

7 Ireny dia mitoky amin'ny hareny, mirehareha amin'ny haben'ny ananany!

8 Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny akory, na mahaloa ny avony amin'Andriamanitra.

9 Fa be loatra ny vidin'ainy, ka tsy azo atao mandrakizay, ny manavotra azy,

10 mba hahavelona azy mandrakizay ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.

11 Tsy maintsy ho hitany: ny olon-kendry maty; ny adala aman-ketrina koa levona torak'izany, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.

12 Heverin'izy ireo fa ho mandrakizay ny tranony; ka haharitra mandritra ny taona mifandimby ny fonenany, ary tononiny amin'ny anarany ny taniny.

13 Kanjo tsy maharitra, na amin'ny voninahiny aza, ny olombelona: mitovy amin'ny biby izay levona koa izy.

14 Izany no alehan'ireo olona be hambo loatra, mbamin'izay manaraka azy, manaiky ny teniny. - Selà.

15 Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin'ny Seoly, ny fahafatesana no mpiandry azy. Manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy, ary ny ambiroany dia hihalevona any amin'ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.

16 Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny Seoly, fa handray ahy ho any aminy izy. - Selà.

17 Aza matahotra ary, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.

18 Fa tsy hahatondra na inona na inona izy, rahefa maty; tsy hidina miaraka aminy ny harem-beny.

19 Na manao ny tenany ho sambatra aza izy amin'ny andro iainany; na midera anao amin'ny fifaliana anarananao fo aza ny olona;

20 dia handeha hianao hikambana amin'ny razanao izay tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay.

21 Ny olombelona na dia ao anatin'ny voninahiny aza, dia tsy mahafantatra; mitovy amin'ny biby izay levona izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0367