Ny Salamo
Salamo toko 49, 6-7,8-10,17-18,19-20,
<6Nahoana no hatahotra aho, amin'ny andron'ny fahoriana,
raha manodidina ahy ny haratsian'ny mpanenjika ahy?
7Ireny dia mitoky amin'ny hareny,
mirehareha amin'ny haben'ny ananany!
8Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny akory,
na mahaloa ny avony amin'Andriamanitra.
9Fa be loatra ny vidin'ainy,
ka tsy azo atao mandrakizay, ny manavotra azy,
10mba hahavelona azy mandrakizay
ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.
17Aza matahotra ary, raha misy olona tonga manan-karena,
ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.
18Fa tsy hahatondra na inona na inona izy, rahefa maty; tsy hidina miaraka aminy ny harem-beny.
19Na manao ny tenany ho sambatra aza izy amin'ny andro iainany;
na midera anao amin'ny fifaliana anarananao fo aza ny olona;
20dia handeha hianao hikambana amin'ny razanao
izay tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay. >