Ny Salamo

Toko faha-51

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamo nataon'i Davida,

2 fony Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin'i Betsabea izy. 3 Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao; vonoy ny hadisoako, araka ny haben'ny famindram-ponao.

4 Sasao tanteraka aho amin'ny heloko, ary diovy aho amin'ny fahotako.

5 Fa mihaiky ny hadisoako aho, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.

6 Taminao irery ihany no nanotako; nanao izay ratsy eo imasonao aho, mba ho hitan'ny olona fa marina hianao amin'ny teny fitsaranao, ka tsy manan-tsiny, amin'ny fitsaranao.

7 Indro izaho teraka tamin'ny heloka; i neny koa torontoronina ahy tamin'ny fahotana.

8 Indro anefa tianao mba ho ao anatin'ny fo ny fahitsiana; dia ampahafantaro ahy, ato anatiko, ny fahendrena.

9 Diovy amin'ny hisopa aho, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy noho ny oram-panala.

10 Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolana izay efa novakivakinao.

11 Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy avokoa ny heloko.

12 Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho; ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko.

13 Aza ariana lavitra ny tavanao aho; aza esorina amiko ny fanahinao masina.

14 Ampodio ny fifaliana amin'ny famonjenao, ary tohany amin'ny fananana fo mazoto aho.

15 Hampianariko ny làlanao, ry zareo mandika azy, ka hiverina aminao indray ny mpanota.

16 Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny famonjena ahy, afaho amin'ny ra nalatsaka aho, dia hidera ny fahamarinanao ny vavako.

17 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hitory ny fiderana anao ny vavako.

18 Tsy sitrakao ny sorona, - fa homeko raha tianao izany; - tsy mahafaly anao ny sorona dorana.

19 Fa fanahy torotoro no sorona ho an'Andriamanitra; aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.

20 Manaova soa be ho an'i Siona, araka ny hatsaram-ponao, atsangano ny mandan'i Jerosalema.

21 Dia hankasitrahanao ny sorom-pahamarinana, ny sorona dorana ary ny fanatitra lavorary; ka dia hanaterana ombalahy eo ambonin'ny otelinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0523