Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 51, 3-4.12-13.14-15.

       <3Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao;
vonoy ny hadisoako, araka ny haben'ny famindram-ponao.
       4Sasao tanteraka aho amin'ny heloko,
ary diovy aho amin'ny fahotako.
       12Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho;
ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko.
       13Aza ariana lavitra ny tavanao aho;
aza esorina amiko ny fanahinao masina.
       14Ampodio ny fifaliana amin'ny famonjenao,
ary tohany amin'ny fananana fo mazoto aho.
       15Hampianariko ny làlanao, ry zareo mandika azy,
ka hiverina aminao indray ny mpanota. >