Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 51, 3-4,12-13,17,19,

       <3Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao;
vonoy ny hadisoako, araka ny haben'ny famindram-ponao.
       4Sasao tanteraka aho amin'ny heloko,
ary diovy aho amin'ny fahotako.
       12Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho;
ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko.
       13Aza ariana lavitra ny tavanao aho;
aza esorina amiko ny fanahinao masina.
       17Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hitory ny fiderana anao ny vavako.
       19Fa fanahy torotoro no sorona ho an'Andriamanitra;
aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo. >