Ny Salamo

Toko faha-54

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Hiran'i Davida.

2 Fony ny Zifeana tonga nilaza tamin'i Saola hoe: Miery any aminay Davida.

3 Vonjeo aho, ry Andriamanitra, noho ny anaranao, ary omeo ny rariny aho, noho ny herinao.

4 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, atongilano ny sofinao amin'ny teny aloaky ny vavako.

5 Fa misy olon-kafa firenena, mitsangan-kamely ahy; misy olona mpanao an-keriny mitady ny aiko; tsy manao an'Andriamanitra eo imasony izy. - SelĂ .

6 Indro, Andriamanitra no vonjiko, ny Tompo no tohan'ny fanahiko.

7 Hanatsingerina ny ratsy amin'ny mpanohitra ahy izy. Noho ny fahamarinanao dia aoka haringanao izy.

8 Hanatitra sorona aminao, amin'ny foko rehetra aho; hidera ny anaranao aho, ry Iaveh, fa tsara izy.

9 Manafaka ahy amin'ny fahoriana rehetra izy; ary faly mijery ny fahavaloko ny masoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0519