Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 54, 3-4.5.6.8.

       <3Vonjeo aho, ry Andriamanitra, noho ny anaranao,
ary omeo ny rariny aho, noho ny herinao.
       4Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra,
atongilano ny sofinao amin'ny teny aloaky ny vavako.
       5Fa misy olon-kafa firenena, mitsangan-kamely ahy;
misy olona mpanao an-keriny mitady ny aiko;
tsy manao an'Andriamanitra eo imasony izy. - SelĂ .
       6Indro, Andriamanitra no vonjiko,
ny Tompo no tohan'ny fanahiko.
       8Hanatitra sorona aminao, amin'ny foko rehetra aho;
hidera ny anaranao aho, ry Iaveh, fa tsara izy. >