Ny Salamo

Toko faha-59

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran'i Davida. Fony Saola naniraka hiambina ny tranony, hamonoany azy.

2 Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô, arovy tsy ho azon'ireo mpanohitra ahy aho!

3 Afaho amin-dry zareo mpanao ratsy aho, ary vonjeo tsy ho azon'ny olona mpandatsa-dra.

4 Fa indro izy manotrika hanala ny aiko; olona mpanao an-keriny no miray tetika hamely ahy; na dia tsy meloka aza aho, na dia tsy nanota aza aho, ry Iaveh,

5 na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia mirohotra hanotrika izy ireo. Mifohaza, avia hitsena ahy, sy hijery.

6 Hianao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr'Israely, mitsangàna hianao, hamay ny firenena rehetra, ka tsy ananana antra akory ireny mpamadika sy mpanao ratsy! - Selà.

7 Miverina izy ny hariva dia manerona toy ny amboa mandeha manodidina ny tanàna.

8 Fanalikana no mibasasaka avy ao am-bavany; sabatra no eo amin'ny molony: Iza moa no handre? hoy izy.

9 Fa hianao kosa, ry Iaveh, mihomehy azy ireo, mananihany ny firenena rehetra.

10 Ry heriko, dia hitodika any aminao aho, fa Andriamanitra no trano mimandako.

11 Ho avy mialoha ahy ilay Andriamanitra manambina ahy, hampibanjina ahy ny fahavaloko izy.

12 Aza vonoinao ireny, fandrao hadinon'ny vahoakako, fa ampirenireneo amin'ny herinao izy, dia haongano, ry Tompo, ampinganay!

13 Manota ny vavany, isaky ny miteny ny molony; aoka ho voasingotry ny reharehany ny tenany, noho ny ozona aman-dainga tononiny!

14 Aringano amin'ny hatezeranao izy, aringano tsy ho eo intsony ireny. Aoka ho fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin'i Jakoba hatrany amin'ny faran'ny tany. - Selà.

15 Miverina izy ny hariva, dia manerona toy ny amboa mandeha manodidina ny tanàna.

16 Mirenireny atsy ary, mitady ny rembiny, mitrontrona izy raha tsy voky.

17 Fa izaho kosa hihira ny herinao, ary hankalaza ny hatsaram-ponao, nony maraina; satria trano mimandako hianao, sy fialofako amin'ny andron'ny fahoriako.

18 Ry Heriko ô, hihira ho an'ny voninahitrao aho, fa trano mimandako Andriamanitra, ilay Andriamanitra manambina ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2318