Ny Salamo

Toko faha-60

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Lisin'ny vavolombelona. Hira nataon'i Davida, hampianarina.

2 Fony izy niady tamin'ny Siriana any Mesopotamia sy ny Siriana any Sobà; sy tamin'ny niverenan'i Joaba avy namely ny Edomita, tao amin'ny lohasahan-tSira, ka nahafatesany roa arivo sy iray alin-dahy.

3 Ry Andriamanitra ô, nanary anay hianao, nampihahaka anay, efa tezitra hianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.

4 Efa nampihorohoro ny tany hianao, nandrotika azy, dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.

5 Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao, nampisotroinao divay mahafanina izahay.

6 Kanefa nomenao faneva ireo matahotra anao, hitsanganan'io noho ny fahamarinanao. - Selà.

7 Mba hahafahan'ny malalanao dia vonjeo amin'ny tànanao ankavanana ary henoy ny hatako.

8 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hientan-kafaliana aho! Hanana an'i Sikema ho anjarako aho, horefesiko ny lohasahan'i Sokota.

9 Ahy Galaada, ahy Manase. Fiadiana aron'ny lohako Efraima ary tehim-panjakako Jodà.

10 Tavin-drano fandroako Moaba; anipazako ny kapako Edoma; Mihobia ny voninahitro, ry tanin'i Filistina!

11 Iza no hitondra ahy ho any amin'ny tanàna mimanda? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

12 Tsy hianao izay efa nanary ahy va, ry Andriamanitra, hianao, ry Andriamanitra izay efa tsy niara-nivoaka tamin'ny tafikay intsony.

13 Vonjeo amin'ny mpampahory anay izahay! Fa zava-poana ny famonjena avy amin'ny olombelona.

14 Raha omban'Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika; hanorotoro ny fahavalontsika izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0934