Ny Salamo
Salamo toko 61
Fivavahan'ny mpanjaka voasesi-tany.
1Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahana amin'ny zava-maneno tendrena. Nataon'i Davida.
2Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako,
mihainoa tsara ny fivavahako.
3Mitaraina aminao aho atý am-paran'ny tany,
ao anatin'ny fahorian'ny foko;
ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho
4Fa fialofako hianao,
tilikambo mafy misakana ny fahavalo.
5Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao,
mialoka ao ambanin'ny elatrao. - Selà.
6Fa manaiky ny faniriako hianao, ry Andriamanitra:
efa nomenao ahy ny lovan'ireo manaja ny anaranao.
7Ampitomboy andro ny andron'ny mpanjaka,
hihalava hatrany hatrany anie ny taonany!
8Hitoetra eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan'Andriamanitra.
Didio hiaro azy ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!
9Dia hankalaza ny anaranao mandrakizay aho,
ary hanefa ny voadiko isan'andro aho. >