Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 62
Mandry fahizay ny fanahy tsy mivadika fa mametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra.

       1Ho an'ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon'i Davida.
       2Eny, Andriamanitra no iantombenan'ny fanahiko amim-piadanana,
izy no ihavian'ny famonjena ahy.
       3Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy,
trano mimandako; ka tsy hangozohozo indrindra aho.
       4Mandra-pahoviana no hiantorahanareo amin'olona,
mba hiarahanareo mandrodana azy, toy ny fandrodana tamboho mitongilana,
tahaka ny manda efa mihotsaka?
       5Eny, mioko hanongana azy amin'ny fiamboniany izy ireo;
mifaly amin'ny lainga izy,
ny vavany misaotra,
ny fony anefa manozona! - Selà.
       6Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin'Andriamanitra,
fa avy aminy no ihavian'ny fanantenako.
       7Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy,
trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.
       8Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy amam-boninahitro.
Amin'Andriamanitra ny vatolampin'ny heriko, ny fialofako.
       9Matokia azy mandrakizay, rey vahoaka;
aborahy eo anatrehany ny fonareo;
Andriamanitra no fialofantsika. - Selà.
       10Eny, zava-poana ny olombelona,
fitaka ny zanak'olombelona.
Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy
izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon'aina.
       11Aza matoky ny fanaovana an-keriny,
ary aza miantehitra foana amin'izay fitohana.
Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin'izany hianareo.
       12Efa niteny indray mandeha Andriamanitra,
na indroa, ka nahare aho:
An'Andriamanitra ny fahefana.
       13Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo,
fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, hianao. >