Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 63
Fanalana alahelo ny voasesi-tany.

       1Salamon'i Davida. Fony izy tany an'efitr'i Joda.
       2Ry Andriamanitra ô, Andriamanitro hianao, mitady anao aho hatramin'ny vao maraina;
mangetaheta anao ny fanahiko, manina anao ny nofoko,
ao amin'ny tany maina mangentana tsy misy rano.
       3Toy izany no nibanjinako anao tao amin'ny fitoerana masina,
mba hahitako ny herinao amam-boninahitrao.
       4Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao,
ka aoka hiventy fankalazana anao ny molotro.
       5Dia hidera anao amin'ny andro rehetra iainako aho,
hanandra-tànana amin'ny anaranao.
       6Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan'ny fanahiko,
ka midera anao ny vavako, amin'ny molotro falifaly.
       7Raha mieritreritra anao eo am-pandriako aho,
dia any aminao ihany ny saiko mandritra ny fiambenan'alina.
       8Fa hianao no vonjiko,
ary eo ambanin'ny aloky ny elatrao no iravoravoako.
       9Tafaraikitra aminao ny fanahiko;
manohana ahy ny tànanao ankavanana.
       10Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa
dia hidina any ambanin'ny tany.
       11Hatolotra ho an'ny sabatra,
ho rembin'ny amboahaolo.
       12Dia hifaly amin'Andriamanitra ny mpanjaka;
ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy,
satria hakombona ny vavan'ny mpandainga. >