Ny Salamo

Toko faha-66

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana. Salamo.

2 Manaova hobin-kafaliana mankamin'Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana azy.

3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: Endrey, mahatahotra ny asanao! Mikoy anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.

4 Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an'ny voninahitrao, hankalaza ny anaranao!

5 Avia ka banjino ny asan'Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin'ny zanak'olombelona.

6 Nampodiny ho tany maina ny ranomasina, ka nandeha an-tongotra namaky ny ony ny olona, dia nifaly taminy izahay.

7 Manjaka mandrakizay amin'ny fahefany izy; mitsinjo ny firenena ny masony; aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy. SelĂ .

8 Misaora an'Andriamanitra, ry vahoaka, ataovy manakoako ny fiderana azy.

9 Nitahiry ny fanahintsika amin'ny fiainana izy ary tsy namela ny tongotsika hangozohozo.

10 Fa hianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin'ny memy toy ny volafotsy;

11 nampiditra anay tamin'ny fandrika harato; nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay.

12 Nampandeha olona hanosy ny lohanay; namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin'izany izahay, dia nototofanao soa.

13 Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko,

14 izay efa notononin'ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

15 Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, hianareo rehetra matahotra an'Andriamanitra, izay nataony ho an'ny fanahiko.

16 Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, hianareo rehetra matahotra an'Andriamanitra, izay nataony ho an'ny fanahiko.

17 Niloa-bava nitaraina taminy aho, ary teo ambony lelako ny fiderana azy.

18 Raha nahita ota tao am-poko aho, dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo.

19 Nefa efa nohenoin'Andriamanitra aho, efa nihaino tsara ny feon'ny fivavahako izy.

20 Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandĂ  ny fivavahako, na nanaisotra ny fahasoavany tamiko!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0438