Ny Salamo
Salamo toko 67
Hotahian'Andriamanitra anie ny vahoakany ho fampianarana ny firenena.
1Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana.
2Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra!
hampamirapiratra ny tavany amintsika anie izy! - Selà.
3mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny làlanao,
ary amin'ny firenena rehetra, ny famonjenao!
4Hidera anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,
hidera anao anie ny firenena rehetra!
5Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana,
fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana hianao
sy mitondra ny firenena ambonin'ny tany.
6Hidera anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,
hidera anao anie ny firenena rehetra!
7Efa nahavokatra ny tany;
hotahian'Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!
8Hotahian'Andriamanitra anie isika!
ary hanaja azy anie ny vazan-tany rehetra! >