Ny Salamo

Toko faha-69

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny lisy. Nataon'i Davida.

2 Vonjeo aho, ry Andriamanitra, Fa tafahatra amin'ny aiko ny rano!

3 Tafalentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hamaharan'ny tongotro. Tafatsoboka anaty hantsan-drano aho, ary efa difotry ny onjan-drano.

4 Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako; valaka eo amin'ny fiandrasana an'Andriamanitro, ny masoko.

5 Fa maro noho ny volon-dohako, ry zareo mankahala ahy, tsy ahoan-tsy ahoana; mahery ry zareo mitady hahavery ahy, izay mitsangan-ko fahavaloko tsy amin'ny antony. Izay tsy nalaiko tsy maintsy averiko.

6 Ry Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalako; ary tsy miafina aminao ny hadisoako.

7 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko, izay manantena anao, ry Tompo, Iavehn'ny tafika! Aoka tsy hangaihay noho ny amiko, izay mitady anao, ry Andriamanitr'Israely!

8 Fa noho ny aminao no itondrako latsa, sy mahasafo-kenatra ny tavako.

9 Zary vahiny eo amin'ny rahalahiko aho, ary olon-tsy fantatra eo amin'ny zanak'ineny.

10 Fa ny zotom-po amin'ny tranonao mandritra aina ahy; ary ny fanaratsian'ireo manevateva anao, mianjera amiko.

11 Mitomany sy mifady hanina aho, ka tonga fandatsan'ny olona, noho izany.

12 Lamba malailay no ataoko fitafy, dia zary fanarabin'izy ireo aho.

13 Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.

14 Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao, ka amin'ny andro mety, ry Andriamanitra, noho ny hatsaram-ponao lehibe, ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan'ny famonjenao.

15 Esory amin'ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony; aoka ho afaka amin'ny fahavaloko sy amin'ny rano lalina aho.

16 Aoka ny onjan-drano tsy hanafotra ahy intsony, ny hantsana tsy hitelina ahy; ny fasana tsy hikatona amiko.

17 Valio vavaka aho, ry Iaveh, fa antra ny hatsaram-ponao, mitodiha aty amiko, amin'ny famindram-ponao lehibe,

18 ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, ka malakia mihaino ahy.

19 Hatony ny fanahiko, afaho izy; vonjeo aho noho ny fahavaloko.

20 Fantatrao ny latsa mahazo ahy, ny fahamenarako sy fahafaham-barakako; eo anatrehanao daholo ny mpanenjika ahy.

21 Torotoron'ny latsa ny foko, ka marary aho, miandry horaka, fa tsy nisy; ary mpanony, fa tsy nahita iray akory.

22 Ahitra mangidy no omeny hohaniko; vinaingitra no ampisotroiny ahy mangetaheta.

23 Aoka kosa ny latabany ho fandrika ho azy ireo, ho tonta ao afovoan'ny fandriany fahizay.

24 Aoka hihamaizina tsy mahita intsony ny masony; ampangozohozoy mandrakizay ny valahany.

25 Atosahy aminy ny hatezeranao; ary hihatra aminy anie ny fahaviniranao mirehitra!

26 Aoka ho foana ny fonenany, ary tsy hisy mpitoetra intsony ao an-dainy.

27 Fa manenjika izay kapohinao izy; mitantara ny fijalian'izay tsindroninao izy.

28 Ataovy miampy heloka ny helony; ary aoka tsy hanana anjara amin'ny fahamarinanao izy.

29 Aoka hovonoina eo amin'ny bokin'ny fiainana izy ireo; ary tsy ho voasoratra miaraka amin'ny marina izy.

30 Izaho kosa dia ory sy mijaly; hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra!

31 Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho; hanandratra azy amin'ny fisaorana.

32 Fa hankasitrahan'ny Tompo mihoatra noho ny ombalahy izany, mihoatra noho ny vantotr'ombalahy manan-tandroka sy kitro.

33 Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly; ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an'Andriamanitra.

34 Fa mihaino ny mahantra Iaveh, ary tsy manamavo ny olony voababo.

35 Aoka hidera azy ny tany aman-danitra, mbamin'ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny!

36 Fa hamonjy an'i Siona Andriamanitra sady hanangana ny tanànan'i Jodà, dia hitoetra ao ny olona sady hitsangan-ko tompony;

37 hahazo azy ho lovany ny taranaky ny mpanompony, ary hanana ny fonenany ao izay tia ny anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1039