Ny Salamo
Toko faha-69
33 Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly; ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an'Andriamanitra.34 Fa mihaino ny mahantra Iaveh, ary tsy manamavo ny olony voababo.
35 Aoka hidera azy ny tany aman-danitra, mbamin'ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny!
36 Fa hamonjy an'i Siona Andriamanitra sady hanangana ny tanànan'i Jodà, dia hitoetra ao ny olona sady hitsangan-ko tompony;
37 hahazo azy ho lovany ny taranaky ny mpanompony, ary hanana ny fonenany ao izay tia ny anarany.
