Ny Salamo

Toko faha-71

1 Hianao ry Iaveh, no nataoko fialofako, aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho!

2 Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho, ka afaho! Atongilàno amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!

3 Aoka hianao ho vatolampy tsy azo hanihina, ho ahy, izay ho azoko handosirana mandrakariva. Efa nandidy ny hamonjy ahy hianao, fa hianao no vatolampiko sy trano mimandako.

4 Ry Andriamanitro ô, afaho aho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy, amin'ny tànan'ny olon-tsy marina sy masiaka.

5 Fa hianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, hianao no ipetrahan'ny fitokiako hatramin'ny fahatanorako!

6 Hianao no iankinako hatramin'ny aho fony vao teraka; hianao izay mamoaka ahy avy any ambohoka; ka anao ny fiderako mandrakizay!

7 Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason'ny vahoaka, kanjo hianao no fiarovana mafy ho ahy.

8 Ho feno fiderana anao anie ny vavako, hankalaza ny hasoavanao isan'andro anie izy.

9 Aza arianao aho amin'ny andron'ny fahanterako; ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.

10 Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko, ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko,

11 manao hoe: Efa nafoin'Andriamanitra izy! Enjeho, sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!

12 Ry Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; ry Andriamanitro, faingàna hamonjy ahy!

13 Aoka ho menatra sy ho levona, izay mitady ny aiko! Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka, izay mitady hahavery ahy.

14 Fa izaho dia hanantena mandrakariva, ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana anao rehetra.

15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao, mbamin'ny fanambinanao tontolo andro; fa tsy hitako izay isan'izany.

16 Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny anao irery.

17 Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho, ary mitory ny fahagaganao, mandrak'ankehitriny!

18 Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo, aza ilaozanao aho Andriamanitra, mba hampahafantarako ny herinao amin'ny taranaka ankehitriny, ary ny fahefanao amin'ny taranaka ho avy.

19 Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra, hianao izay mahefa ny zava-dehibe! - Iza no tahaka anao, ry Andriamanitra? -

20 hianao izay efa nampihatra fizahan-toetra betsaka sy mahatsiravina. Nefa mbola hamelona anay indray hianao, ka hampiakatra anay avy amin'ny hantsan'ny tany.

21 Hasandratrao indray ny voninahitro, ary hampionona ahy indray hianao.

22 Dia hoderaiko amin'ny feom-baliha, hohiraiko ny fahamarinanao, ry Andriamanitro ô! hankalaza anao amin'ny harpa aho, ry Masin'Israely!

23 Ka amin'ny hihirako ho anao, dia eo amin'ny molotro ny firavoravoana, sy ho ao amin'ny fanahiko izay novonjenao.

24 Ary hitory ny fahamarinanao isan'andro ny lelako; fa ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka kosa izay mitady fahaverezana ho ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0511