Ny Salamo

Toko faha-72

1 Nataon'i Salomona. Ry Andriamanitra ô; tolory ny fitsaranao, ny mpanjaka, ary ny fahamarinanao, ny zanaky ny mpanjaka.

2 Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny, sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!

3 Aoka hahavokatra fiadanana ho an'ny vahoaka ny tendrombohitra, torak'izany ny havoana, amin'ny fahamarinana.

4 Hanomezany rariny ny olona ory eo amin'ny vahoakany, sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra, ary hanorotoroany ny mpampahory!

5 Aoka hanaja anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro, raha mbola mihiratra koa ny volana, hatramin'ny taona mifandimby.

6 Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin'ny ahi-maitso, toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany.

7 Ka amin'ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina, amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian'ny volana.

8 Hanjaka hatramin'ny ranomasina iray ka hatramin'ny ranomasina hafa izy, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

9 Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an'efitra; ary ho lavo amin'ny tany ny fahavalony.

10 Handoa hetra ny mpanjakan'i Tarsisa sy ny nosy; hanolotra fanatitra ny mpanjakan'i Sabà sy Meroe;

11 hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra, hanaiky azy ny firenena rehetra.

12 Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy izy; sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.

13 Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana izy, ary hamonjy ny ain'ny mahantra.

14 Hesoriny amin'ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny, ary ho sarobidy eo imasony ny ran'izy ireny.

15 Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena avy any Sabà ho azy; hanao voady ho azy mandrakariva, ary hisaotra azy isan'andro.

16 Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin'ny tany hatrany an-tampon'ny tendrombohitra! Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan'i Libàna! Ny olona, aoka hirobona ao amin'ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.

17 Aoka haharitra mandrakizay ny anarany! Aoka hiely laza ny anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan'ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso azy hoe: Sambatra!

18 Isaorana anie Iaveh Andriamanitra, Andriamanitr'Israely, izay hany manao fahagagana!

19 Isaorana mandrakizay anie ny anarany be voninahitra! Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra. Amena! Amena!

20 Tapitra ny vavak'i Davida zanak'Izai.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1211