Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 72, 2.7-8.12-13.17.

       <2Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny,
sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!
       7Ka amin'ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina,
amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian'ny volana.
       8Hanjaka hatramin'ny ranomasina iray ka hatramin'ny ranomasina hafa izy,
ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.
       12Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy izy;
sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.
       13Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana izy,
ary hamonjy ny ain'ny mahantra.
       17Aoka haharitra mandrakizay ny anarany!
Aoka hiely laza ny anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro!
Aoka ho aminy no itadiavan'ny olona fanambinana!
Aoka ny firenena rehetra hiantso azy hoe: Sambatra! >