Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 72, 2-13

       <2Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny,
sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!
       3Aoka hahavokatra fiadanana ho an'ny vahoaka ny tendrombohitra,
torak'izany ny havoana, amin'ny fahamarinana.
       4Hanomezany rariny ny olona ory eo amin'ny vahoakany,
sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra,
ary hanorotoroany ny mpampahory!
       5Aoka hanaja anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro,
raha mbola mihiratra koa ny volana, hatramin'ny taona mifandimby.
       6Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin'ny ahi-maitso,
toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany.
       7Ka amin'ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina,
amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian'ny volana.
       8Hanjaka hatramin'ny ranomasina iray ka hatramin'ny ranomasina hafa izy,
ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.
       9Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an'efitra;
ary ho lavo amin'ny tany ny fahavalony.
       10Handoa hetra ny mpanjakan'i Tarsisa sy ny nosy;
hanolotra fanatitra ny mpanjakan'i SabĂ  sy Meroe;
       11hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,
hanaiky azy ny firenena rehetra.
       12Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy izy;
sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.
       13Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana izy,
ary hamonjy ny ain'ny mahantra. >