Ny Salamo
Salamo toko 73
Ny amin'ny fanambinana ny ratsy fanahy.
1Salamon'i Asafa.
Eny, tsara fo Andriamanitra amin'Israely
sy amin'izay madio fo!
2Kanefa saika nikoy aho,
saika nibolisatra ny tongotro.
3Fa sosotra tamin'ny tsy mpivavaka aho,
nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
4Ho azy ireo ny fanaintainana tsy misy mandra-pahafatiny;
ny vatany tomady fatratra.
5Tsy mba niasa amin'izay asa fanaon'ny olona izy,
ary tsy mba voadonan-javatra toy ny olon-kafa rehetra.
6Ka dia rehareha no firaratan'ny vozony,
ary halozana no akanjo sarobidy itafiany.
7Mivoaka heloka avy ao an-kibony,
miseho andro ny hevitry ny fony.
8Mamazivavy izy, miresaka haratsiana sy halozana,
manonona teny an'avona.
9Ny vavany entiny mamely ny lanitra aza,
ary ny lelany miasa eto an-tany.
10Ka tafatodika any aminy ny vahoakako,
migoka rano ery izy.
11Hoy izy: Ahoana no ahafantaran'Andriamanitra?
Ahoana no ahalalan'ny Avo Indrindra?
12Fa izany no toetry ny ratsy fanahy:
miadana mandrakariva, mampitombo ny hareny izy.
13Ka dia foana tsy misy asany ny nitandremako ny foko ho madio;
sy ny nanasako ny tànako amin'ny tsy fananan-tsiny,
14voakapoka mandritra ny andro aho,
ary faizana ihany isa-maraina.
15Raha izay aho no nanao hoe: Te-hiteny toa azy ireo aho,
dia ho nivadika tamin'ny taranaky ny zanakao aho.
16Nandinika hahatakatra izany zavatra izany aho,
ka zava-tsarotra tokoa teo imasoko, izany,
17mandra-pahatafiditro tao amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra
sy namantatra ny anjara hiafaran'izy ireo.
18Eny, ampandehaninao eo amin'ny làla-malama ireny,
dia alavonao, ka levona foana eo izy.
19Hià! indray mipi-maso monja lahy, dia rava ireny!
Levona terý! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!
20Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofy nony mahatsiaro,
no androahanao ny fahatsiarovana azy, ry Tompo, rehefa mifoha hianao.
21Raha lotika ny foko,
ka nahatsiaro voatsindrona lalina aho,
22dia ketrina tsy misy saina intsony aho
fa toy ny biby no mitomoetra eo anatrehanao.
23Ho eo aminao mandrakariva anefa aho,
fa efa voahazonao ny tànako ankavanana;
24hoentinao amin'ny torohevitrao aho,
dia horaisinao any amin'ny voninahitra, rehefa afaka izany.
25Manana an'iza indray moa aho, any an-danitra?
Tapi-java nirina aho manana anao eto an-tany.
26Torana ny nofoko sy ny foko:
ny vatolampin'ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
27Indro very kosa izay manalavitra anao;
aringanao avokoa izay mivadika aminao.
28Raha izaho, dia ny miray amin'Andriamanitra no fahasambarako;
Iaveh Tompo no anton'ny fitokiako;
mba hitoriako ny asanao rehetra. >