Ny Salamo

Toko faha-74

1 Fihirana nataon'i Asafa. Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay hianao? sy mirehitra amin'ny ondry ao amin'ny tanim-bilonao ny hatezeranao?

2 Tsarovy ny vahoakanao izay azonao tamin'ny andro fahataloha, navotanao ho foko lovanao! Tsarovy ny tendrombohitra Siona nataonao fonenanao.

3 Ny dianao tariho ho eo amin'ireo korontan-javatra tsy azo amboarina; simban'ny fahavalo avokoa izay teo amin'ny fitoerana masina.

4 Nanerona teo amin'ny kianjanao masina, ny mpanohitra anao; nanangana ny fanevany ho faneva izy.

5 Ny fijery azy, toy ny mpikapa hazo, manainga famaky ao amin'ny ala mikitroka!

6 Ary ankehitriny, ny rafitra misokitra rehetra, dia nomontsaniny avokoa nasiany ny famaky sy ny kanonta.

7 Nodorany tamin'ny afo ny fitoeranao masina, nazerany sy notevatevainy ny fonenan'ny anaranao.

8 Hoy izy anakampony: Ravaontsika avokoa izy ireo! Nodorany daholo ny fitoerana masina amin'ny tany.

9 Ny famantaranay, tsy hitanay intsony! ny mpaminany, tsy misy intsony; ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no...

10 Mandra-pahoviana, ry Andriamanitra, no haniratsiran'ny mpampahory, sy hanevatevan'ny fahavalo tsy an-kijanona ny anaranao?

11 Nahoana no avonkinao ny tànanao, ny tànanao ankavanana? Avoahy avy ao an-tratranao izy, dia aringano ireny!

12 Andriamanitra anefa no mpanjakako, hatry ny fahataloha; izy izay efa nanao famonjena betsaka tety ambonin'ny tany.

13 Hianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao, nanorotoro ny lohan'ireo biby goavam-be tao anaty rano.

14 Hianao no namakivaky ny lohan'i Leviatana dia nanome azy hohanin'ny vahoaka any an'efitra.

15 Hianao no nampiboiboika ny loharano aman-dranon-driaka, hianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.

16 Anao ny andro, anao ny alina; hianao no nahary ny masoandro amam-bolana.

17 Hianao no nametra ny faritra rehetra amin'ny tany; hianao no nanorina ny ririnina amam-pahavaratra.

18 Tsarovy fa maniratsira an'ny Tompo ny fahavalo; miteny ratsy ny anaranao ny vahoaka adala!

19 Aza atolotra ny biby, ny ain'ny domohinanao, aza hadinoina mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.

20 Hevero tsara ny fanekenao! fa izao zoron-tany rehetra izao feno fandrian-dompy avokoa.

21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra, ny tra-pahoriana! aoka ho afaka hidera ny anaranao, ny ory sy mahantra!

22 Mitsangàna hianao, ry Andriamanitra, iandraiketo ny adinao; tsarovy ny faniratsiran'ny adala anao isan'andro.

23 Aza hadinoina ny akoralavan'ny mpandrafy anao; ny reharehan'ireo mankahala anao mitombo mandrakariva!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1764