Ny Salamo

Toko faha-76

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Salamon'i Asafa. Fihirana.

2 Nilaza tena teo amin'i Jodà Andriamanitra, malaza eo amin'Israely ny anarany.

3 Ao Salema ny tabernaklany, ary ao Siona ny fonenany.

4 Teo izy no nanapatapaka ny tsipìka manelatra, ny ampinga, ny sabatra, ary ny ady. - Selà.

5 Mamirapiratra hianao, eo amin'ny fiandriananao, eo an-tendrombohitra iantorahanao amin'ny rembinao.

6 Voababo ireo malaza be herim-po; renoky ny torimasony izy ireo, tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.

7 Vao nanambana hianao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.

8 Eny, mahatahotra hianao! Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!

9 Namoaka didim-pitsarana avy any an-tampon'ny lanitra hianao; nihorohoro sy nangina ny tany,

10 nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin'ny tany. - Selà.

11 Ka dia hody voninahitra ny fisafoaky ny olombelona, sy ny sisam-pahatezerany.

12 Manaova voady hianareo, ka efao amin'ny Tompo Andriamanitra izany, aoka hitondra fanatitra ho an'Andriamanitra mahatahotra, izay rehetra manodidina azy.

13 Manongana ny reharehan'ny manam-pahefana izy, ary mahatahotra ny mpanjakan'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0358