Ny Salamo

Toko faha-77

1 Ho an'ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon'i Asafa.

2 Miakatra ho any amin'Andriamanitra ny feoko, ka mitaraina aho; Miakatra ho any amin'Andriamanitra ny feoko: aoka hihaino ahy anie izy.

3 Mitady ny Tompo, amin'ny andron'ny fahoriako aho; manandra-tànana tsy mety vizana aho, nony alina; lavin'ny fanahiko avokoa ny fampiononana.

4 Mahatsiaro an'Andriamanitra aho, dia misento; mieritreritra aho dia reraka ny fanahiko. - Selà.

5 Hazoninao misokatra ny hodi-masoko; ary tsy mahateny aho, azon'ny tebitebiko;

6 ka eritreretiko izany andro taloha, mbamin'ny taona fahizany.

7 Tsaroako ny hirako tamin'ny alina; dia mandinidinika ao am-poko aho, ary hoy ny fanontanian'ny saiko:

8 Dia hanary mandrakizay ve ny Tompo, dia tsy hankasitraka intsony ve izy?

9 Tapitra mandrakizay va ny famindram-pony? Tapaka teo va ny fampanantenany momba ny taona ho avy?

10 Hadinon'Andriamanitra va ny famindram-pony: Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony? - Selà.

11 Hoy aho: Izao no dia mankararirary ahy: niova ny tànana ankavanan'Andriamanitra!

12 Te-hampahatsiaro ny asan'ny Tompo aho fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny.

13 Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra, sy mandinika ny zava-dehibe nataonao.

14 Andriamanitra ô, masina ny làlanao, zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika.

15 Hianao no Andriamanitra mahavita fahagagana, naneho ny herinao tamin'ny firenena hianao.

16 Navotanao tamin'ny sandrinao ny vahoakanao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa. - Selà.

17 Nahita anao ny rano, ry Andriamanitra ô, nahita anao ny rano dia nangovitra; nihovitrovitra ny hantsana.

18 Nandatsaka ny ranony ny rahona, nikotrokotroka ny feon'ny rahona, dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza ny zana-tsipìkanao.

19 Nanakoako tao amin'ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihorin-koditra sy nihorohoro ny tany.

20 Làlana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dàlana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.

21 Nitondra ny vahoakanao, toy ny biby fiompy, hianao tamin'ny tànan'i Moizy sy Aarona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875