Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 8
Voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny asany.

       1Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Gitiena. Tonon-kiran'i Davida.
       2Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny anaranao, amin'ny tany rehetra!
Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
       3Amin'ny vavan'ny ankizy sy ny mbola minono,
no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao,
sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.
       4Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tànanao,
mbamin'ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
       5Inona ny olombelona no mba tsarovanao?
ary ny zanak'olombelona no mba karakarainao?
       6Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy,
nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy.
       7Nampanjakainao amin'ny asan-tànanao izy,
napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:
       8omby aman'ondry tsy ankanavaka,
mbamin'ny biby any an-tsaha;
       9voro-manidina aman-kazan-dranomasina,
mbamin'izay mitety ny làlan-dranomasina.
       10Ry Iaveh, Tomponay,
mba be voninahitra re ny anaranao amin'ny tany rehetra! >