Ny Salamo

Toko faha-80

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Lisin'ny vavolombelona. Salamon'i Asafa.

2 Ry mpiandry an'Israely ô, mihainoa! hianao izay mitondra an'i Josefa toy ny andian'ondry, hianao izay mipetraka eo amin'ny Kerobima, misehoa amin'ny voninahitrao.

3 Eo anoloan'i Efraima, Benjamina, Manase, fohazy ny herinao, ka avia hamonjy anay.

4 Ry Andriamanitra ô, ampodio izahay amin'ny toetra taloha; ampamirapirato ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.

5 Ry Iaveh Andriamanitry ny tafika, mandra-pahoviana no mbola ho tezitra amin'ny fivavahan'ny vahoakanao hianao?

6 Efa novelominao tamin'ny mofon-dranomaso izy, ary efa nampisotroinao ranomaso havozona.

7 Efa nataonao ho fifandiran'ireo mifanila toerana aminay izahay; ka efa ihomehezan'ny fahavalonay izahay.

8 Ry Andriamanitry ny tafika o, ampodio amin'ny toetra taloha izahay, ampamirapirato ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.

9 Misy voaloboka nongotanao tany Ejipta; nandroaka ny firenena hianao, hambolenao azy.

10 Nataonao malalaka ny fitoerana eo anoloany, dia namaka lalina sy nameno ny tany izy.

11 Ka nanarona ny tendrombohitra ny alokalony, nanarona ny sederan'Andriamanitra ny sampany;

12 nisandrahaka hatrany amin'ny Ranomasina ny rantsany, ary hatrany amin'ny Ony ny sakeliny.

13 Nahoana no dia noravanao ny fefiny, ka izay mandalo rehetra, manimba azy avokoa?

14 Ny lambo avy any an'ala mandrapaka azy; ary ny biby any an-tsaha manao azy ho fihinany.

15 Ry Andriamanitry ny tafika, miverena, mitsinjova eny an-danitra, ary jereo, ka diniho ity voaloboka!

16 Arovy izay nambolen'ny tànanao ankavanana, sy ny zanaka izay nofidinao ho anao!...

17 Main'ny afo izy, sady voakapa; levona avokoa izay handrinin'ny tavanao.

18 Aoka ny tànanao ho amin'ny olon'ny tànanao ankavanana, amin'ny zanaky ny olona nofidinao ho anao.

19 Dia tsy hanohitra anao intsony izahay; velomy indray izahay, dia hiantso ny anaranao.

20 Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, ampodio amin'ny toetranay taloha izahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747