Ny Salamo

Toko faha-86

1 Vavak'i Davida. Mandrenesa, ry Iaveh, ekeo vavaka aho, fa ory sy mahantra aho.

2 Arovy ny fanahiko, fa tia vavaka aho, vonjeo ny mpanomponao, ry Andriamanitra ô; fa hianao no ametrahany ny fitokiany!

3 Mamindra fo amiko, Tompo ô, fa mitaraina aminao, manontolo andro, aho!

4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao, fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.

5 Satria tsara fo sy miantra hianao, Tompo, ary feno indrafo ho an'izay rehetra miantso anao.

6 Ry Iaveh, atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, henoy tsara ny feon'ny fitarainako.

7 Miantso anao amin'ny andron'ny fahoriako, aho, ka hamaly vavaka ahy, hianao.

8 Tsy misy toa anao eo amin'ireo andriamanitra, tsy misy mahatahaka ny asanao, ry Tompo.

9 Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny anaranao.

10 Fa lehibe sy mahavita fahagagana hianao, hianao irery no Andriamanitra.

11 Ampianaro ny làlanao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin'ny fahitsiana! Araiketo amin'ny fahatahorana anao ny foko.

12 Hidera anao amin'ny foko rehetra aho, ry Tompo Andriamanitro ô, ary hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay.

13 Fa lehibe ny hatsaram-ponao amiko, notsoahanao tany amin'ny seoly ny fanahiko.

14 Andriamanitra ô, mitsangan-kamely ahy ny mpiavonavona, mitady ny aiko ny antokon'olona mpanao an-keriny, ka tsy asiany raharaha akory hianao.

15 Fa hianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.

16 Mitodiha aty amiko, ka amindrao fo aho; omeo ny herinao ny mpanomponao; ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.

17 Aharihario ny indrafonao amiko, ka hahita izany ny fahavaloko, dia ho menatra! Fa hianao, ry Iaveh, no mamonjy sy mampionona ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1732