Ny Salamo

Toko faha-87

1 Salamon'ny zanak'i Kore. Fihirana. Nanorina azy teo an-tendrombohitra masina izy.

2 Ny vavahadin'i Siona dia tian'ny Tompo, mihoatra noho ny fonenan'i Jakoba rehetra.

3 Zava-malaza maro no voatantara momba anao ry tanànan'Andriamanitra. - Selà.

4 Amin'ireo mahalala ahy hotononiko Rahaba sy Babilona; indreo koa ny Filistina sy Tira mbamin'i Etiopia: tao ireo no teraka.

5 Ary izao no hilazan'ny olona an'i Siona: Samy teraka tao aminy itý sy irý: dia izy, ny Avo Indrindra, no nanorina azy.

6 Izao no hosoratan'ny Tompo amin'ny fanisam-bahoaka: Teraka tao ity. -Selà.

7 Ny mpihira sy mpitendry zava-maneno, hanao hoe: Ao aminao ny loharanoko rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1434