Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 88, 10bc-11.12-13.14-15.

       <10Mihalevona azon'ny fijaliana ny masoko.
Miantso anao tontolo andro aho, ry Tompo o,
manandra-tanana aminao aho.
       11Ny maty va no hanaovanao fahagagana;
sa ny ambiroa no hitsangan-kidera anao? - Selà.
       12Hotorina any am-pasana va ny hatsaram-ponao,
ary any amin'ny hantsana, ny fahamarinanao?
       13Ho fantatra any amin'ny tanin'ny aizina va ny fahagaganao,
ary any amin'ny tany fanadinoana, ny fahamarinanao?
       14Indro aho mitaraina aminao, ry Iaveh ô.
Vao maraina dia efa miroso ho eo anatrehanao ny fivavahako.
       15Ry Iaveh ô, nahoana no manary ny fanahiko hianao,
sy manafina ny tavanao amiko? >