Ny Salamo
Toko faha-88
2 Ry Iaveh, Andriamanitry ny famonjena ahy ô raha mitaraina eo anatrehanao amin'ny alina aho,3 aoka ho tonga eo anatrehanao ny fivavahako, henoy ny fitarainako!
4 Fa vontom-pahoriana ny fanahiko, ary mipaka amin'ny Seoly ny aiko.
5 Natao anisan'izay midina any an-davaka aho, tahaka ny olona efa lany hery.
6 Tahaka ny nafoy eny amin'ny maty aho, tahaka ny faty miampatra ao am-pasana, izay efa tsy tsaroana intsony, sy efa voaesotra eo an-tànanao!
7 Natsipinao ho ao amin'ny vody lavaka aho, anatin'ny aizina sy ny hantsana.
8 Manindry ahy ny hatezeranao, azeranao amiko ny alon-dranonao rehetra. - Selà.