Ny Salamo
Salamo toko 9
Fiderana an'Andriamanitra izay manary ny ratsy fanahy, sy miaro ny mahantra.
1Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny hira hoe Fahafatesana ho an'ny zanakalahy. Salamon'i Davida.
2Hidera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra aho,
hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.
3Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho,
hihira ny anaranao aho, ry Avo indrindra ô!
4Lasa mihemotra ny fahavaloko,
mandraingiraingy izy, dia lavo teo anatrehan'ny tavanao.
5Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko,
nipetraka ho mpitsara marina hianao, teo amin'ny seza fiandriananao.
6Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka,
nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran'ireny.
7Levona ny fahavalo! faharavana haharitra mandrakizay!
Tanàna nofongoranao!
Very mbamin'ny fahatsiarovana azy.
8Fa Iaveh kosa mipetraka mandrakizay,
efa voatsangany ny sezany hitsarany;
9ka mitsara an'izao tontolo izao amin'ny fahamarinana izy,
mitsara ny firenena amin'ny fahitsiana.
10Iaveh dia fiarovana ho an'ny ampahoriana,
fiarovana ho amin'ny andron'ny fahoriana.
11Hianao no itokian'izay mahalala ny anaranao,
fa tsy mba mandao izay mitady anao, hianao, ry Iaveh.
12Mankalazà an'ny Tompo izay mitoetra any Siona,
ambarao amin'ny firenena ny asa lehibe nataony.
13Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany;
tsy nanadino ny fitarainan'ny tra-pahoriana.
14Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny;
jereo ity fahoriana amelin'ny fahavaloko ahy;
fa hianao no mampiverina ahy avy amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
15mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra
eo am-bavahadin'ny zanakavavin'i Siona,
sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao.
16Latsaka tamin'ny lavaka nohadiny ny firenena;
voan'ny fandrika harato nafeniny ny tongony.
17Fa niseho Iaveh nanao ny fitsarany,
ka ny asan-tànan'ny ratsy fanahy ihany no naningorany azy. - Higaiona. Selà.
18Miverina ho any amin'ny Seoly ny ratsy fanahy,
ny firenena rehetra izay manadino an'Andriamanitra.
19Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany;
ny fanantenan'ny ory tsy rava mandrakizay.
20Mitsanganà, ry Iaveh, aoka tsy ho ny olombelona no hahery;
aoka hotsaraina eo anatrehan'ny tavanao ny firenena!
21Asio fangorohoroana ireny, ry Iaveh ô,
aoka ho fantatry ny firenena fa olombelona ihany izy! - Selà! >