Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 90
Ny olona mety maty sy ory eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay.

       1Vavak'i Moizy, olon'Andriamanitra.

Tompo ô, hianao no aronay amin'ny taona rehetra mifandimby.
       2Talohan'ny namoronanao ny tendrombohitra,
sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao:
dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay hianao, ry Andriamanitra!
       3Mampanjary ny olombelona ho vovoka hianao,
ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona!
       4Fa eo imasonao, ny arivo taona,
dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy,
ary tahaka ny fiambenana iray amin'ny alina.
       5Manindao azy toy ny nofy hianao;
ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;
       6mamony sy maniry izy ny maraina;
fa malazo sy maina ny hariva.
       7Toy izany no andevonan'ny fahatezeranao anay,
sy ampitahoran'ny fahaviniranao anay.
       8Apetrakao eo anoloanao ny helokay;
ary eo amin'ny fahazavan'ny tavanao, ny fahadisoanay takona.
       9Azon'ny hatezeranao, dia foana avokoa ny andronay rehetra,
hitanay mihelina toy ny feo malemy, ny taonanay.
       10Mahatratra ny fitopolo taona no andronay,
valopolo taona no fara-fahabetsany;
nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny,
fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!
       11Zovy no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao,
ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao anao?
       12Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay,
mba hahazoanay fo hendry.
       13Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?...
Mamindrà fo amin'ny mpanomponao!
       14Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina,
dia hifaly sy ravoravo, amin'ny andronay rehetra.
       15Ampifalio araka ny andro nampahorianao anay izahay,
sy araka ny taona nahitanay loza.
       16Aoka hiharihary amin'ny mpanomponao ny asanao,
mbamin'ny voninahitrao, ho an'ny taranany!
       17Ho aminay anie ny fanambinan'ny Tompo, Andriamanitray!
Hamafiso aminay ny asan'ny tànanay;
Eny, hamafiso ny asan'ny tànanay! >