Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 90, 2.3-4.5-6.12-13.

       <2Talohan'ny namoronanao ny tendrombohitra,
sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao:
dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay hianao, ry Andriamanitra!
       3Mampanjary ny olombelona ho vovoka hianao,
ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona!
       4Fa eo imasonao, ny arivo taona,
dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy,
ary tahaka ny fiambenana iray amin'ny alina.
       5Manindao azy toy ny nofy hianao;
ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;
       6mamony sy maniry izy ny maraina;
fa malazo sy maina ny hariva.
       12Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay,
mba hahazoanay fo hendry.
       13Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?...
MamindrĂ  fo amin'ny mpanomponao! >