Ny Salamo

Toko faha-91

1 Izay mialoka eo ambany fiarovan'ny Avo-Indrindra, miala sasatra eo amin'ny aloky ny Tsitoha.

2 Hoy aho amin'ny Tompo: Hianao no trano mimandako sy fialofako. Andriamanitro izay itokiako.

3 Fa izy no manafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza, sy ny pesta mandoza.

4 Hanarona anao amin'ny elany izy, ary hahita fialofana ao ambany volon'elany, hianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.

5 Tsy misy hatahoranao, na ny fampitahorana amin'ny alina, na ny zana-tsipìka manidina amin'ny antoandro,

6 na ny pesta misoko anatin'ny aizina, na ny areti-mifindra, mandripaka amin'ny mitatao vovonana.

7 Na misy arivo lavo eo anilanao aza, sy iray alina eo ankavananao, hianao tsy mba ho tratra.

8 Hijery maso fotsiny hianao, ka hahita ny valy hanjo ny ratsy fanahy.

9 Fa hianao efa nilaza hoe: Fiarovana ahy hianao, ry Iaveh! Nanao ny Avo Indrindra ho fialofanao hianao.

10 Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory.

11 Fa izy handidy ireo anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin'izay alehanao rehetra:

12 ka hivimbina anao eny an-tànany ireo, fandrao tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.

13 Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspika hianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin'ny dragona hianao.

14 Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny anarako izy.

15 Hiantso ahy izy, ary hamaly azy aho; homba azy amin'ny andron'ny fahoriana aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy aho.

16 Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.144